enjankenjana ny tenin'i Andry Rajoelina filohan'ny tetezamita teo aloha teny amin'ny Carlton omaly hariva. Nokianiny hatramin'ny fampihavanana karakarain'ny FFKM ary tsy fantatra izy na mbola handray anjara amin'io na tsia. Tsy manaiky ny fanendrena ny praiminisitra Jean Ravelonarivo ingahy Rajoelina sy ny ekipany ary dia niantso ny vahoaka hijoro hiaro ny safidiny, hono. Tsy nilaza mazava izy hoe hidina an-dalambe na hanao inona marina fa raha ny nahafantarana azy hatramin'ny 2008 aloha dia mety hiafara amin'izay ihany ny raharaha. Raha ny fombany, minitra vitsy taorian'iny fanambarana nataony iny dia tokony ho efa voasambotra sy voaray tamin'ny vozon'akanjony i Andry Rajoelina, saingy efa tsy tahaka izany intsony moa ny fomba fiasa ankehitriny. Na izany aza dia mampieritreritra ihany ilay tenin'ny filoha Hery
Rajaonarimampianina teny Iavoloha ny zoma 9 janoary teny nilaza hoe : tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana ary tsy maintsy handray ny andraikiny ny fitondram-panjakana. Azo raisina ho tahaka ny fiantsoana ny olona hikomy amin'ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana, hoy ny mpanara-baovao maro ilay tenin'ny filohan'ny tetezamita teo aloha teny amin'ny hotely Carlton omaly ary mety hosamborin'ny fanjakana mihitsy satria izay ilay hoe fanohintohinana ny filaminana anatiny, fomba fampiasan'ny fitondrana tetezamita teo aloha rehefa hisambotra olona izy. Maro no efa mahafantatra ny paikady sy ny fomba fiasan-dRajoelina sy ny ekipany ary azo antoka fa tsy maintsy hiroso amin'ny dingana mafimafy kokoa amin'ny fanoherany izy ireo atsy ho atsy raha mitazam-potsiny ny fitondram-panjakana, raha tsy hoe efa sinema indray angaha izao rehetra izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.