Politique

Holafitry ny mpanao gazety Pejy vaovao manomboka eto


  • Zoma 12 Desambra 2014

Hambara anio misandratr’andro etsy amin’ny Centre de Presse Antsakaviro ny vokatra ofisialy tamin’ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety. Miisa 15 izy ireo, ahitana filoha 1, filoha lefitra 6, iray isaky ny faritany, mpitambola 1

, Sekretera jeneraly 1 ary mpanolotsaina 6, iray isam-paritany. Efa voafidy tamin’ny 8 novambra 2014 ny fifidianana ireo mpikambana 14 fa ny filoha no taorian’ny fihodinana faharoa natao ny 6 desambra 2014 vao fantatra. Ity 12 desambra 2014 ity no daty nofaritan’ny vaomieran’ny fifidianana hamoahana ny vokatra ofisialy. Telo taona no faharetan’ny taom-piasan’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety. Efa tapitra fe-potoam-piasana tamin’ny 2007 ny biraon’ny holafitra teo aloha, notarihin’i Rufin Rakotomaharo. Fito taona tsy nanana birao ny Holafitra. Pejy vaovao, araka izany, no hiainana manomboka eto.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT