Politique

Hody Ravalo Mipararetra ny tandapa


  • Talata 30 Septambra 2014

Toy ny vara-datsaka ny nandrenesan’ny tandapa sy ireo mpomba ny fitondrana ankehitriny, ny fanambarana nataon’Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy teo, nilazany fa tsy hanohana izao fitondrana izao intsony izy

, ka raha ilaina dia haverina ny tamin’ny 2002 ary vonona hitarika ny vahoaka amin’izay izy. Nilaza moa Atoa Ravalomanana fa hihaona amin’ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, ny tenany amin’ity herinandro ity, hilazany marina io fanapahan-keviny io. Re fa efa lasa nihazo an’i Afrika Atsimo ny mpiara-miasa akaiky amin’i Marc Ravalomanana, nitondra ireo antontan-taratasy mirakitra ny zava-misy eto Madagasikara, ho porofo amin’izany. Dia miandry ny vokatr’io fihaonana io sy ny tohiny izany ny rehetra.

Fifanandrifian-javatra ve sa manamafy an’io no nilazan’ny ambasadaoro afrikanina tatsimo, Atoa Gert Grobler, tao Toamasina omaly fa “vonona hiara-kiasa amin’ny Malagasy ny Afrikanina tatsimo. Ilaina anefa ny fanajana ny demokrasia, ny fihavanam-pirenena, ny fitondrana tsara tantana ary ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly”. Fanambarana izay mifanohy amin’ny efa nataon’ny ambasadaoron’ireo firenena matanjaka toy ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, Eric Wong, tamin’ny 03 jolay, izay nanitrikitrika ny tokony hampiharana manontolo ny voalazan’ny tondrozotra, ary mbola nohamafisin’ny masoivoho vaovaon’ny Vondrona eoropeanina, Sanchez Benedito Gaspar, raha nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto, tamin’ny filohan’ny Repoblika izy.

Etsy an-kilany, efa tsindrin-daona be ihany ny zanak’i Dada, ary henjankenjana hatramin’ny kabary raha ny zava-nisy tao amin’ny Magro Behoririka omaly, izay efa nivonona tamin’ny gropy manoloana ny hasomparana amin’ny delestazy. Nilaza tamin’ny feo avo i Zafilahy Stanislas, fa “hamono tena ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina raha tsy hamela an’i Marc Ravalomanana hody”. Lasa lavitra aza ny tenin’i Manoela Ralaimampisainarinony nilaza fa “Tsy mahavita azy ny mpitondra. Leo ny vahoaka. Ampy izay !”. Hafanafana ny rivotra politika amin’ity fiandohan’ny volana oktobra ity. Hita ho mipararetra ny fitondrana, ka re fa hamory mpanao politika eny Ivato eny ato ho ato.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT