Politique

Hoditr’akondro ho an’i Neny Akorontana isan’andro Antananarivo


  • Alakamisy 17 Septambra 2015

Niezaka nanazava ny tao amin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny amin’ny tsy maintsy hanitarana ireo lalana telo dia Soarano-Antanimena,

 

Ankorondrano-Besarety ary Analamahitsy fiomanana fa ny fivoriana an-tampon’ny Frankofonia amin’ny 2016 no tena antony. Tsy naharesy lahatra ny maro anefaizany. Misy ny mahita fa vao vita ny fifidianana ben’ny tanàna dia nipoitra ny famaritana tany etsy sy eroa, nokorontanina ny tsena teny min’ny 67Ha ka nalefa hivarotra amin’ny sisin-dalana eny Ambodin’Isotry ny olona. Misy fanotofana tany tampoka izany eny amin’ny Marais Masay ary dia mody fanina fotsiny ny tompon’andraikitra fa dia ireo tanora mpanao fanatanjahantena izany no nandefitra aloha.Tsy nisy mihitsy ny fanamboarana ireo arabe simba eto an-drenivohitra ary tsikaritra fa manomboka misavovona indray ny fako amin’ny toerana sasany. Fehin’izany tranga rehetra izany dia mikorontana tanteraka Antananarivo Renivohitra amin’ny fotoana hidiran’ny ben’ny tanàna vaovao amin’ny toerany. Mazava ho azy fa ho rempotra hamaha ireo olana novolena( ?) ireo aloha ny ben’ny tanàna vaovao fa tsy afaka hanatontosa ny fandaharanasany. Fantatra anefa fa efa nivonona ny amin’izany Rtoa Lalao Ravalomanana, izay manana paikady mahomby hanarenana ny tanàna no sady efa nilaza fa tsy maintsy miara-miasa amin’ny fitondrana foibe ny kaominina amin’ny maha renivohitra azy. Misy ihany anefa ireo tsy maty voalavo an-kibo fa dia mitady foana ny hevitra hanakorontanana sy hanakanana ny fandrosoana.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT