Daty hiavaka amin’ity herinandro ity ny datin’ny 7 febroary ny sabotsy ho avy izao. Tantaram-pirenena izy io ary teboka iray azo ambara fa nanafaingana ny firodanan’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny 2009. Natomboka saingy tsy mbola vita ny fitsarana. Azo atao hoe maimaika ihany no nitsarana sy nanamelohana ny
filoha teo aloha Marc Ravalomanana, misy ny fanadihadiana lalina tokony hatao. Momba ny tena fiavian’ny tifitra rehetra, ohatra, ny fomba firaikitry ny bala amin’ireo rindrina sasany teny Antaninarenina, ny fipetraky ny ratra tamin’ireo olona sasany…Re izao fa hoe miantso ireo filoha 5 hiara-kivavaka aminy ry zareo AV7 no sady nilaza fa manohana ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM ary tsy manana kakay intsony amin’Atoa Ravalomanana. Mizara ny hevitra manoloana izany ka misy ny mitaky mihitsy ny hanaovana ny fitsarana mba hivoahan’ny marina rehetra satria amin’izy ireo dia misy tsiambaratelo iny raharaha 7 febroary iny ka miala fantarina mazava io. Ao kosa ireo mihevitra fa rehefa miresaka, mifamela sy mihavana ny mpifanandrina fototra tamin’ireny fotoana ireny dia izay no tena tsara indrindra fa dia fampihavanam-pirenena azo tsapain-tanana ny mety ho fifamelan-dRavalomanana sy ny AV7. Fa izao, inona anefa ny tena marina ? Tsy tokony ho fantatra mazava kosa ve ny tena marina izay vao irosoana ny fifamelana sy ny fampihavanana ? Manana ny fandaminany ny mpitarika ny fampihavanam-pirenena, mahafantatra tsara ny hetahetan’ny olona, mandre ny adihevitra etsy sy eroa, mahatsapa ny zava-misy sy ny fahasahiranana iainana isan’andro koa inoana fa hahita ny vahaolana mahomby izy ireo, ka dia ho tanteraka marina ilay tena fampihavanana, enga anie !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.