Mbola mampametra-panontaniana tanteraka ny ho avin’i Madagasikara amin’ny taona 2015 raha ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana no jerena
Raha ny fijerin’ny maro azy mantsy dia tena mbola mihisatra tanteraka ny fampandehanan-draharaha rehetra eto amin’ny firenena. Anarany mba vita ny fifidianana izay nantenaina fa hamoaka amin’ny kizo lalina niainana nandritra ny dimy taona, saingy vao mainka miha milentika ny firenena. Ny mpitondra toa minia mikipy ary tena manao be marenina amin’ny antso ataon’ny vahoaka izay efa latsaka an-katerena tanteraka. Raha ny hita, toa fampisehoana Hery sy Voninahitra Mampahantra ny malagasy no atao fa tsy araka ilay fampanantenana nodradradradraina. Ny resaka fampihavanam-pirenena aza toa tsy noresahin’ny mpitondra intsony nefa singa iray azo lazaina fa tena hamoaka an’i Madagasikara ao anaty olana izany. Tenin’ny filoha hatrany ilay hoe: tsy hirotoroto … saingy sao dia ela fidona ka hilaozan’ny omby miahaka ny hiafarany. Tsy tongatonga ho azy ihany koa mantsy ireny vondrona antoko politika niseho sehatra sy nipoitra tampoka tato ho ato ireny. Sao dia sanatria fambara ratsy ho an’i Madagasikara amin’ny taona 2015 izao. Ho avy ny noely, hifarana ny taona ka fotoana izao handinihan’ny rehetra tena manoloana ny zava-misy mba ho tombontsoan’i Madagasikara marina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.