Mba manana andraikitra anatin ‘antoko
Kanefa dia tsy olona tia serasera ?
Vao kianina kely dia mifokofoko
Sy tezitra , tsy mahatanty tsikera ?
Tsy aleo ve mipetraka raha toy izany
Sao ny tosidrà no hiakatra lava ?
Ny mpanao gazety raha mbola eto an-tany ,
Tsy maintsy miteny satria manam-bava.
Ny mihaino no adidin ‘ireo mpahalala,
Mandray am-pitiavana dia misafidy.
Fa misy ny mamy toa voankazo an’ala
Ary misy dia misy ny tena mangidy.
Kanefa dia tena amim-pahatoniana
No iseraseràna fa tsy am-batravatra.
Mpanao politika o ! tsy fanakiviana,
Fa mialà malaky raha mbola tsy zatra .
Satria ny vahoaka no iseraseràna.
(Ny mpanao gazety , mpitatitra ihany .)
Ka raha ratsy fo, mametraha fialàna
Mba ho fitsimbinana anao be tomany !
SEDERA RAVALISON (03 -8 -14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.