Politique

Hiteny i Dada anio !


  • Zoma 09 Janoary 2015

Enin-taona latsaka iray volana sy tapany taorian’ny nandaozany tampoka an’i Madagasikara dia hiditra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha indray anio tahaka ireo olona nasaina 1500

ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nahazo taratasy fanasana ofisialy izy ary nanamafy fa ho avy hanatrika ny lanonana anio manomboka amin’ny 11 ora sy 5 minitra maraina. Fotoan-dehibe manamarika ny fidirana politika amin’ity 2015 ity ny lanonana eny Iavoloha anio. Ho hita eny avokoa ny manampahefana sivily sy miaramila ary ireo olo-manankaja sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena, ho maro be ny mpanao politika ho tonga eny Iavoloha.

Hiresaka amin’izay ?

Andrasan’ny rehetra amin’ity anio ity ny fanoritsoritan’ny filoham-pirenena ny tena fandaharanasany marina, herintaona aty aorian’ny naha voafidy azy sy ny fanapahan-kevitra hafa. Fa etsy an-kilan’izay dia mahaliana ny rehetra ihany koa ny momba an’Atoa Marc Ravalomanana manokana.Anisan’ny fanontaniana manitikitika ohatra ny hoe : hanao ahoana ny fifankahitan’ity filoha teo aloha ity indray amin’ireo mpanao politika, indrindra fa ireo nandray anjara tamin’ny fanonganana azy tamin’ny 2009 ? Maro ihany koa ireo mihevitra fa mety mandritra ity fotoana eny Iavoloha anio ity no hahafahan’Atoa Marc Ravalomanana miresaka amin’ny mpanao gazety sy mety ilazany ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Tsy mbola afaka nanao izany mihitsy mantsy izy hatramin’ny 13 oktobra 2013 nisamborana azy ka hatramin’izao, eny fa na dia efa afaka nody eny Faravohitra aza. Hentitra, hatreto aloha ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana dia ny tsy fahafahan’ity filoha teo aloha ity mifandray na miresaka amin’ireo mpanao politika iray ankolafy aminy sy ireo mpiara-dia aminy, tsy azony atao ihany koa ny maneho hevitra an-gazety na amin’ny haino aman-jery. Na dia eo aza anefa izany rehetra izany dia hafa sy miavaka ny andro anio ary efa niova ny toe-draharaha, tsapa fa tena mbola manana ny maha izy azy eo amin’ny fiainam-pirenena i Marc Ravalomanana ary manana ny ambarany manoloana ny zava-misy. Anisan’ny mahaliana ny rehetra koa ny toeran’ny ankolafy Ravalomanana. Manohana sa manohitra ny fitondrana ? Nisy fifanarahana mialoha ve momba ny fodian’Atoa Ravalomanana ? Betsaka ny siosion-dresaka fa ny tsara indrindra dia ilay olona voakasika voalohany mihitsy no miteny ny tena zava-misy marina. Ho hita eo izay ho tenin’i Dada anio !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT