Politique

Hita taratra ny fifohazan-tsaina Hitombo be ny vaton’i Dada any amin’ny Faritra


  • Alatsinainy 17 Desambra 2018

Tena hitombo ny vaton’ny K25 any amin’ny faritany. Io no ho vokatry ny fanohanana maro be, ary tsy hoe mpanao politika ihany fa hatramin’ny artista, mpanao fanatanjahantena,…

 

 no miara-mientana amin’ny fampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Tena fifohazan-tsaina goavana no mitranga amin’izao fotoana izao, ary vao mainka hampitombo ny fahombiazana ny fanakaikezana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fifandresen-dahatra isam-baravarana. Hain’ny K25 ny nanetsika ny mponina an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra. Mandeha ny karazana fanaratsiana sy fampiadiana an’I Marc Ravalomanana amin’ny any amin’ny faritany. Hampiasaina ny fanaratsiana sy fanasoketana sesilany amin’ny haino aman-jery. Rahonana ny vahoaka, ary tonga hatramin’ny filazana amin’ny olona fa horoahina ny mpihavy, raha tsy lany ny kandida iray, hoy ny fampitam-baovao avy any Befandriana. Any amin’ny faritra Marovoay, dia velon-taraina ny olona amin’ny zavatra halefan’ny onjam-peo iray fa fanosoram-potaka ranoray no hatao isan’andro, ary manontany tena hoe mbola misy fanjakana ihany ve eto? Ety an-drenivohitra, dia vita hatramin’ny mamorona gazety hanaratsiana an’i Marc Ravalomanana fotsiny. Tsy mba manana porofon-kevitra mazava hanatsarana ny fanjakana tetezamita, izay tena famotehana tanteraka ny firenena ny sasany, ka ny fiezahana manoso-potaka an’I Marc Ravalomanana no fara-hery, saingy tsy adala ny vahoaka. Saika resy lahatra aminy sy manome toromarika ny mpiara-dia sy ny fiarahamonina hampandany an’i Marc Ravalomanana rahateo ireo olobe sy olom-boafidy samihafa, eny fa na ireo tsy nitovy hevitra taminy tany aloha aza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT