Efa ireny hita ora vitsivitsy taorian’ny fanambaran’ny HCC ny 8 janoary ireny ny santatr’ireo tohivakam-panambaram-piarahabana ny filoham-pirenena Malagasy vaovao nataona antoko politika sy olom-panjakana ary fikambanana maro samihafa.
Ampoizina hatrany isaky ny misy fanjakana mijoro vaovao eto amin’ny firenena toy izao ny fahatongavana sakaizan’ny mpandresy marobe. Sarotra ny hino fa hiova vetivety teo anefa ny kolontsain’ny mpanao politika Malagasy izay nikoizana hatrany amin’ny fidongian-tseza. Hilahatra amina toerana ahafahana mangataka izany indray, raha tsy efa milahatra, ny fiara 4x4 maro dia maro. Ny ahiana dia hoe hisisika ireto fiara tsy mataho-dalana ireto ka hohadinoina tanteraka eo ireo nanao fanamiana na T shirt nylon volom-boasary an-tapitrisany lazaina hatrany fa maro an’isa nandany ny tena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.