Politique

Hiaka-dapa i Dada


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Nahazo fanasana manokana ary efa nanambara fa hanatrika ny lanonana fifampiarahabana ny asaramanitra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha rahampitso zoma 9 janoary ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, araka ny fanamarinana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana

Sambany tato anatin’ny 5 taona izany izao no hiverina hiaka-dapa indray ity filoha teo aloha ity satria raha araka ny fantatra dia ny 17 martsa 2009 izy sy Ramatoa Lalao Ravalomanana ary ny zanak’izy ireo faralahy Maika Tsara Ravalomanana no nandao tampoka ny lapam-panjakana Iavoloha, rehefa voamarina fa tena misy ny mikasa ny hamono ho faty azy ireo. Ambara fa lanonam-panokafana ny fanaovana  politika amin’ity taona ity ny  lanonana eny Iavoloha rahampitso. Miandry ny rehetra raha afaka hiresaka amin’ny mpanao gazety haneho ny heviny na tsia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fa  ny tena andrasan’ny maro ihany koa dia ny fihaonany sy ny fifampikasohany indray amin’ny fianakaviamben’ny mpanao politika eto Madagasikara. Hanao ahoana izany ? Hilamina ve ? Hisy ve ny tora-po ? Hisy ve ny fifampiresahana na fifanazavana sa efa misy ny fandaminana manokana napetraky ny fitondram-panjakana ka tsy hahafahan’i Marc Ravalomanana mifandray na mifampiresaka aman’olona mihitsy ? Na ahoana na ahoana ambara anefa dia maro ny mihevitra fa tsy maintsy hampiseho indray ny fahaizany mampiasa ny serasera mandritra ity lanonana rahampitso ity Atoa Marc Ravalomanana.Nahazo fanasana hanatrika ny lanonana eny Iavoloha rahampitso ihany koa moa Atoa isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Andry Nirina Rajoelina. Tsara homarihina fa nihena any amin’ny antsasany ny vahiny nasaina tamin’ity taona ity izay miisa 1.500 raha toa ka 3.000 izany tamin’ny herintaona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT