Namoaka fehin-kevitra tetsy amin’ny tranon’ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka, etsy Faravohitra, omaly ry zareo avy eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony na HFI sy ireo kandida miisa 19 mitaky ny hanemorana fifidianana.
Nomarihana moa fa ny 10 tamin’ireto kandida ireto dia nolavin’ny HCC ny dosieny. Tsy mitombina, hoy izy ireo, ny hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena ny 7 novambra izao. Anisan’ny antony nambaran’izy ireo fa manitsakitsaka lalàmpanorenana ny didy laharana 18-HCC/D3 nivoaka tamin’ny 25 mey 2018. Tsy tanteraka tamin’ny fotoana tokony ho nahamety azy ny fananganana ny HCJ na Fitsarana avo. Tsy ara-dalàna ny didim-panjakana laharana 2018-529 tamin’ny 4 jona teo ho fanendrena ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny lalàna rehetra navoakan’io governemanta io. Anisan’izany ny didim-panjakana laharana 2018-641 tamin’ny 29 jona 2018 mahakasika ny datim-pifidianana. Fialan’ny filoham-pirenena no nangatahana dia governemanta no rava. Mbola tokony ho niverina tany amin’ny Antenimieram-pirenena koa, hoy izy ireo ny lalàm-pifidianana nialoha ny nandaniana azy. Mba hialana amin’ny fanovana lalàmpanorenana isaky ny misy filoham-pirenena vaovao, hoy izy ireo, dia aleo ovana mialoha izany ary dia nanazava ireto hery politika ireto fa ilaina maika ny fihaonambe nasionaly ary tsy maintsy tetezamita aloha no hiafarany vao fifidianana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.