Hatreto, tsy mbola nisy fanambarana ofisialy fa natsahatra ny tolona etsy amin’ny 13 mey izay notohizan-dry zareo hetsika ho an’ny fanorenana ifotony na ny HFI sy ireo mpiara-dia aminy na tsy tena nahazaka vahoaka sy niato kely tato anatin’izao
faran’ny herinandro izao. Eo amin’ny paikady kosa dia mizotra amin’ny tanjony ihany ireto mpivoy fanorenana ifotony ireto ary mampiahiahy ny mpanara-baovao ny antony nanateran’izy ireo fitoriana manokana mikasika ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Nilaza moa ny filohan’ny antoko politika Tambatra, Pety Rakotoniaina fa tsy nisy na filoham-pirenena teo aloha na ankehitriny ihany koa mamatsy azy ireo saingy tsy misy porofo hita mivaingana hatreto. Ny mpanohana ity tolona ho an’ny fanorenana ifotony ity hafa, toy ny mpikamban’ny antoko RDR, Paul Pody sy ny antoko TIM, Manoela kosa dia niezaka nanely ny faran’ny herinandro teo fa olon’ny Mapar no maro ao amin’ny CENI ary homba ny HVM kosa ny HCC ka hiteraka korontana amin’ny valim-pifidianana. Ny filohan’ny antoko Kintana, Tabera Randriamanantsoa moa nilaza fa paikady faharoa na Plan B an’ireto HFI sy ny tariny ireto ny hitety faritra hampahafantatra ny tolo-dalàmpanorenana avy amin’izy ireo mandritry ny propagandy. Inona kosa ary izany no tena Plan A ? Hiezaka hampiato fifidianana ve sa hanao izay tsy ahafahan-dRajoelina hilatsaka ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.