Politique

Hetsiky ny zanak’i Dada Hangorom-potsy Antananarivo anio


  • Sabotsy 13 Oktobra 2018

Rakotra ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana kandida laharana faha-25 ny tanàna omaly, toy ny tena Analakely sy manodidina. Horakora-pifaliana ny an’ny tanora sy ireo efa zokinjokiny tamin’ny hetsika maro samihafa nentina nanehoana sy nanentanana ny vahoaka teny rehetra teny,

 

 

 fa I Marc Ravalomanana no vahaolana afaka hanarina indray ny nopotehina teto amin’ny firenena. Ho an’ny anio, izay andro tsy fiasana, dia fotoan-dehibe hoenti-manamafy sy manentana ny mpiara-belona sy ny Malagasy manontolo hanohana sy handrotsa-bato ho an’ny kandida laharana faha-25. Hisy noho izany ny diabe miala etsy amin’ny Foiben-toerana na ny QG etsy Bel’Air Ampandrana, haneho ny hery sy ny fahavononana hatramin’ny farany, ka ho ambohipihaonan’ny rehetra ny etsy Ambohijatovo ny tolakandro amin’ny 2 ora any ho any. Hisy ny toromarika samihafa mianga eny amin’ny foiben-toerana isaky ny boriborintany eo anatrehan’ity fotoan-dehibe ity. Sesilany ny fanehoan-kevitra hatry ny omaly fa hatao mangorom-potsy ny eto Antananarivo hoenti-manaporofo, fa ny vahoakan’Antananarivo sy ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy dia ao an-damosin’i Marc Ravalomanana avokoa. Azo antoka araka izany fa hakotroka sy hafana ny fampielezan-kevitra hoenti-manohana an’i Marc Ravalomanana ho an’ny anio. Tsy eto Antananarivo renivohitra ihany, fa hanao hetsika goavana ihany koa ny any amin’ireo faritra manodidina, toy ny eny Ambohitrimanjaka, ary saika manerana ny Nosy mihitsy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT