Nampiasain’ny fitondrana indray ny herim-pamoretana teo am-pelatanany nandritra ny hetsika nataon’ny zanak’i Dada ny sabotsy teo. Nandritra izany dia olona telo no voasambotra ary nentina an-keriny nanaraka ireo mpitandro ny filaminana ihany koa. Raha hiverenana fohy ny zava-nitranga nandritra io fotoana io dia vao maraina dia efa nameno an’Analakely sy Ambohijatovo iny ny fiarabe feno mpitandro ny filaminana.
Araka ny fotoana nifanomezana mantsy dia io no andro voatondro fa hifanomezan’ny zanak’i Dada fotoana miaraka amin’ireo solombavambahoaka avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana hanaovana tatitra sy hanazavan’izy ireo ny tena zava-misy marina amin’ny vahoaka momba ny Filoha Ravalomanana. Tonga maro ny olona na dia somary niparitaka aza satria efa nanao ramatahora tamin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany ny Emmoreg. Tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro dia nisy sahady ny fandefasana ny vovoka mampievina sy mandatsa-dranomaso natao tamin’ny olona izay niandry fotsiny no sady tsy nihetsika fa nitaky am-pilaminana ny hamoahana tsy misy hatakandro ny filoha Ravalomanana. Fotoana fohy taorian’izay dia tonga teny an-toerana ihany koa ny solombavambahoaka roa avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nandamina sy nanome toromarika ireo vahoaka. Niandry hatrany anefa ireo olona teny an-toerana sao dia misy ihany ny marimaritra iraisana teo amin’ny roa tonta satria raha ny nambaran’ireo vahoaka tonga teny an-toerana dia tsotra ny zavatra hangatahin’izy ireo : havoaka i Dada. Nilaza anefa ireo mpitandro ny filaminana fa baiko no azon’izy ireo ary izay ihany no tsy maintsy tanterahiny. Na teo aza anefa izany dia nilamina hatrany ny vahoaka ary nidina moramora nihazo ny kianjan’ny 13 mey. Teo no nisy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso maromaro ary niafara tamin’ny fisamborana ireo olona nanao ny hetsika. Tsara ho marihana fa nosamborin’ny mpitandro filaminana nandritra ity hetsika ity ny CT Feno ary mbola voatazona hatramin’ny omaly alina, no sady tsy afaka nihaona tamin’ny fianakaviany fa nanaterana sakafo fotsiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.