Politique

Hetsiky ny firaisankinan’ireo kandida Inona marina no tena tanjona ?


  • Alarobia 31 Oktobra 2018

Navelan’ny avy eo anivon’ny Emmoreg hanatontosa malalaka ny hetsika fitaterana amin’ny vahoaka ny dingana efa vitany mikasika ny tolona fitakiana ny famerenana ny fanokafana ny lisi-pifidianana tetsy Mahamasina omaly ny avy eo anivon’ny firaisankinan’ireo kandida.

 

 

Samy mametra-panontaniana ny rehetra ny amin’ny hoe inona marina ary ny tena tanjon’izy 25 mianadahy ireto ? Samy nikabary daholo fa tsy ekena ny fifidianana misy hosoka. Tsy vao izao anefa izany no nitranga teto amin’ny firenena. Efa ela rahateo no nipetraka ny ahiahy mikasika ny tsy fahadiovan’ity fifidianana amin’ny 7 novambra ity. Ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana efa miziriziry fa tsy hihemotra ary efa manomboka mivoaka mihitsy aza ireo mpitandro ny filaminana “handamina ny raharaha” sy hitan-tsoroka ny fampielezankevitra manomboka izao. Inona ary izany no hery hananan’ireto kandida ho filoham-pirenena ireto hahatongavan’izy ireo amin’izay tanjona hoe hanokatra lisitra mialoha ny 7 novambra izay, raha tena izay tokoa no tanjony ? Marihina fa herinandro sisa dia higadona ity daty malaza ity. Efa azo antoka aloha izany fa kely dia kely ny fanantenana ny amin’ny hoe hivahan’izay olana eo amin’ny resaka tsy fahatomombanan’ny fikarakarana fifidianana izay alohan’ny 7 novambra ary azo antoka fa tsy maintsy hampihemotra ny datim-pifidianana izany. Fifidianana izay tsy maitsy hatao ihany ary tsy tokony ho tara ny 24 novambra raha ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Ny dikan’izay dia na hisy fanadiovana hitranga aza anelanelan’izay fotoana rehetra izay dia ho amin’ny ampahany ihany na hoe fohy ezaka. Raha tsiahivina anefa dia efa samy nilaza avokoa ny ankamaroan’ireto kandida ireto tany am-boalohany fa anjaran’izay filoham-pirenena vaovao lany eo no manova ny tsy fetezan-drafitra rehetra. Inona ary izany no tena tanjon’ity tolona natao teny Mahamasina ity ? Fandaniam-potoana ve sa fampisavorovoroana saim-bahoaka sa fisarihana korontana amin’ny endriny hafa koa sa tena fitiavan-tanindrazana ? Anjaran’izy ireo no hanaporofo izany amin’ny vahoaka Malagasy.

J. Mirija/Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT