Nahitsy ny teny nataon’ny solom-bavambahoaka voafidy tany amin’ny distrika Amparafaravola Rabekijana Solofo Hery, fa mila miala izao dia izao i Hery Rajaonarimampianina, fa nampiesona ny vahoaka aoamin’ny distrikan’Amparafaravola.
Nampanantenaina, hoy izy, fa hohatsaraina ny lalam-pirenena RN3A nefa hatramin’izao dia mampiasa lalan-dratsy hatrany ny vahoaka .Tsy voavaha hatramin ‘izao ny tsy fandriampahalemana izay mampijaly ny vahoaka manerana ny nosy, hoy izy. Miantso ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny tenany mba handray fanapahan-kevitra mifandraiky amin’ny hetahetam-bahoaka. Diabe nianga teo amin’ny “stationnement” an’ny taksibrosy no nanombohana ny hetsiky ny fanovana omaly alakamisy.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.