Mivandravandra be toa azo tsapain-tanana mihitsy ny tsy fifankahazoan-kevitra eo amin’ireo ankolafy MAPAR misy raha tarafina amin’ny hevitr’izy ireo mahakasika ny hetsika « Téléthon » saika natao tany Toliara ny faran’ny herinandro teo no asian-teny. Ampahany amin’izany ireo hevitra roa haseho anao eto ambany ireto.
Ny depiote Jean Michel Henri avy any Ambovombe Androy MAPAR 1 :
“Mampalahelo ny ataon’ny fitondram-panjakana fa fikambanana hamonjy vahoaka dia sakanana. Tsy fantany ny mahazo ireo traboina tsy manan-ko hanina, rava trano sy dibo-drano. Tena mamono vahoaka ity fitondram-panjakana ity. Zon’ny distrika ve no manakana ny fanampiana homena ny vahoaka izay efa nahazoana alalana tamin’ny Lehiben’ny Faritra mifehy azy ? Tsy adidin’ny fanjakana ve ny manampy ny vahoakany tra-pahavoazana ka nahoana no sakanana raha misy vondron’olon-tsotra manampy azy amin’izany ? Tsy famoriana olona araka ny nieritreretan-dry zareo azy no nokasaina hatao fa fitondrana ny tsirambin’ny tanana ho an’ireo traboina. Tsy maintsy namory ny vahoaka tamin’ny toerana an’olon-tsotra izahay vondron’Ambodivona nanazavana ny antony nanakanana ny hetsika ary nambara tamin’izy ireo fa hasiana toerana voatokana hanatobiana ireo fanomezana ireo hangalan-dry zareo izany”.
Ny depiote Razaha Tondraha Toliara I MAPAR 2 :
“Raha ny zavatra hatolotra ny vahoaka dia malalaka amin’ny hetsika ataon’ny vahoaka tsirairary fa hapetraka amin’ny lojika izany fa tsy hararaotina amin’ny zavatra tsy tokony halehany. N’iza n’iza minisitra eo amin’ny fitondrana dia afaka manendry olona hiaraka hiasa aminy izy fa tsy misy « problème», fa raha misy kosa tsy mahazoaro izany dia tokony hifandinika sy hifanaraka tsara amin’ny tompon’andraikitra izy ireo fa tsy hamorona fitokonana izany. Iny saika hatao tany Toliara iny mantsy dia tsorina fa tena nisy ambadika politika tanteraka. Izahay koa dia tena MAPAR ary tena ilay tsy nivadika tamin’ny fifanarahana dia ny hanohana hatramin’ny farany an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.