Politique

Hetsika « Téléthon » nosakanana tany Toliara Nampivandravandra ny tsy fitovian-kevitr’ireo ankolafy MAPAR Mivandravandra be toa azo tsapain-tanana mihitsy ny tsy fifankazahoan-kevitra eo amin’ireo ankolafy MAPAR misy raha tarafina amin’ny hevitr’izy


  • Talata 17 Martsa 2015

“Mampalahelo ny ataon’ny fitondram-panjakana fa fikambanana hamonjy vahoaka dia sakanana. Tsy fantany ny mahazo ireo traboina tsy manan-ko hanina, rava trano sy dibo-drano. Tena mamono vahoaka ity fitondram-panjakana ity. Zon’ny distrika ve no

manakana ny fanampiana homena ny vahoaka izay efa nahazoana alalana tamin’ny Lehiben’ny Faritra mifehy azy  ? Tsy adidin’ny fanjakana ve ny manampy ny vahoakany tra-pahavoazana ka nahoana no sakanana raha misy vondron’olon-tsotra manampy azy amin’izany ? Tsy famoriana olona araka ny nieritreretan-dry zareo azy no nokasaina hatao fa fitondrana ny tsirambin’ny tanana hoan’ireo tra-boina. Tsy maintsy namory ny vahoaka tamin’ny toerana an’olon-tsotra izahay vondron’Ambodivona nanazavana ny antony nanakanana ny hetsika ary nambara tamin’izy ireo fa hasiana toerana voatokana hanatobiana ireo fanomezana ireo hangalan-dry zareo izany”.

 

 

Ny depiote Razaha Tondraha Toliara I MAPAR 2  :

“Raha ny zavatra hatolotra ny vahoaka dia malalaka amin’ny hetsika ataon’ny vahoaka tsirairary fa hapetraka amin’ny lojika izany fa tsy hararaotina amin’ny zavatra tsy tokony halehany. N’iza n’iza mieritreritra ny hanampy ny mpiara-belona dia afaka manendry  olona hiaraka aminy fa tsy misy problème, tahaka ireny ataon’ny fikambanana Fitia ireny, fa raha misy diso eritreritra dia tokony hifandinika sy hifanaraka tsara fa tsy izy ny familiana ny hetsika amin’ny lalàn-kafa. Iny saika hatao tany Toliara iny mantsy dia tsorin fa tena nisy ambadika politika tanteraka. Izahay koa dia tena MAPAR ary tena ilay tsy nivadika tamin’ny fifanarahana dia ny hanohana hatramin’ny farany an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ».   

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT