Politique

Hetsika tamin’ny sabotsy Nafampana ny fifandonan-kevitry ny samy zanak’i Dada


  • Talata 21 Oktobra 2014

Nafampana ara-bakiteny ny fifandonan-kevitry ny samy zanak’i Dada na ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mikasika ilay hetsika notanterahina tamin’ny sabotsy teo. Nampiaka-peo mantsy an-daniny ireo nandray anjara nivantana tamin’ny hetsika ka nilaza fa mpitari-tolona mavozo ireo depiote tompon-kevitra tamin’ny hoe fanaovana tatitra teny Ambohijatovo fa tsy nisy nipoitra izy ireo na iray aza fa ny mpikambana MCT teo aloha

avy ao amin’ny Boriborintany faha-2 no voasambotra teny Analakely teny. Anisan’ny mbola nampiaka-peo an-dry zareo ireto koa ny filazan’ny mitondra tenin’ny filoha teo aloha, ny Kestora Guy Rivo Randrianarisoa,  fa hoe tonga i Dada nefa tsy naharo azy akory ny rehetra teto. Ity farany moa, araka ny heno, dia nanambara tamin’ireo namany tsy mitovy hevitra ireo fa nankasitrahany ny firosoana tamin’ny hetsika tamin’ny sabotsy teo ary derainy ny herim-po nananan’ny namama voasambotra nefa tsy lanin’ny vavoniny intsony ny hoe mbola hanohizana izany hetsika izany omaly alatsinainy sy ny manaraka fa mety hampiita-javatra izany satria filaminana izao no ilaina mba hampitony ny fon’ireo mpiambina ny filoha Marc Ravalomanana any Antsiranana izay tena tompon’ny hery aloha hatreto. Teo moa no tena tsy nitovian’ny roa tonta hevitra nefa tamin’ny farany dia toa nanaraka ny hevitr’ity farany ihany i Neny Lalao Ravalomanana ka nangataka fitoniana sy filaminana tamin’ny rehetra. Mora am-pitenenana ny zava-nitranga fa ny zava-nisy dia tena nafampana, araka ny voalaza tery ambony, ny fifanazavana sy fifandonan-kevitry ny samy zanak’i Dada tamin’ny andron’ny omaly alatsinainy. Fifandonan-kevitra toa niteraka fitoniana ho an’ny rehetra ihany anefa raha ny zava-niseho teny an-kianja no asian-teny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT