Nivondrona tao anatin`ny vovonan`ny hetsika ho an`ny fanovana ny mpanao politika maromaro mankato ny hetsiky ny solombavambahoaka miisa 73 eny amin`ny kianja 13 mey.
Tompon`antoka amin`izay hetsi-bahoaka hisy ny filoham-pirenena raha toa ka tsy mametra-pialana satria efa takian`ny vahoaka, hoy i Hery Raharisaina izay anisan`ireo mpikambana ao anatin`ny hetsika ho an`ny fanovana. Hanamafy ny hetsika hatrany ireo mpanao politika mivondrona ary hitady izay hanampiana an`ireo depiote mba hanafaingana ny fametrahan`ny filoham-pirenena mba tsy hisian`ny krizy intsony. Efa manana sori-dalana aorian`ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena, ny filohan`ny Antenimierandoholona ary ny governemanta iray manontolo ny depiote ho an`ny fanovana raha ny nambaran`ireo mpanao politika mivondrona saingy tsy mbola nambaran`izy ireo depiote mazava anefa hatreto ny fomba hitondrany ny firenena raha toa ka mametra-pialana ny mpitondra. Tsy mbola voafaritra mazava ny endrika hitondran`izy ireo ny firenena raha misy ny fametrahana faobe. Nanamafy ihany ireto mpanao politika ireto fa ny fametraham-pialan`ny filoha sy mpitantana rehetra ankehitriny no vahaolana tokana hamahana ny disadisa politika misy amin`izao. Nisy ny fanambarana niombonana natao ny alarobia lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.