Politique

Hetsika goavana eny Mahamasina Efa santatry ny fandresena


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Mbola nanome toky ny vahoaka malagasy rehetra omaly ny avy eo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara fa tsy misy atahorana ny famoriam-bahoaka izay hataon’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, etsy Mahamasina, rahampitso sabotsy.

 

 Efa mazava izao, hoy izy ireo, fa kandida i Dada, araka ny lisitra navoakan’ny HCC koa dia manainga atsika rehetra hiara-paly aminy etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina. Fanehoana amin’ny Malagasy manontolo ny fahavononan’i Dada sy ny antoko TIM amin’ny fifidianana io fotoana io. Niaraha-nahalala, hoy ny loholona, Olga Ramalason, fa niharan’ny antsojay ny fankalazana ny faha-15 taona. Na dia teo aza izany dia tonga amin’izao fandresena izao ihany isika. Te hihaona amin’ny vahoaka i Dada, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, ary io fotoana io ihany koa no hamaranana izay fankalazana ny faha 15 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara izay. Efa azo ny alalana rehetra,hoy izy. Na ny avy eo anivon’ny kaominin’Antananarivo renivohitra na ny avy amin’ny prefektiora. Tsy marina kosa ny filazana fa mpanavakavaka i Dada, hoy ny CT teo aloha, Zafilahy Stanislas. Porofon’izay ny nanombohana ny fankalazana ny faha-15 taona tany Toamasina satria avy any no miposaka ny masoandro.Fandaminana sy fanaraha-maso no hataon’ny mpitandro filaminana fa tsy hisy velively ny fanakanana.Hatramin’ny alarobia lasa teo no efa fantatra fa maro be ireo olona avy any amin’ny faritany no namonjy an’Antananarivo ka hanatrika ity fihaonambe rahampitso sabotsy eny Mahamasina ity;ela no niandrasanay izao ary tonga ity ny fotoana ka ho porofoina eo fa mamim-bahoaka ny filoha Ravalomanana ary efa latsa-bato fotsiny sisa no atao far aha ny marina dia efa azony ny fandresena ary izy no filoha.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT