Politique

Hetsika fanorenana ifotony Namaky bantsilana ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Niverenan-drizareo avy eo anivon’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI tetsy Antaninandro omaly ny tantaram-pirenena ka antony mahatonga an-drizareo hitaky fa tsy maintsy hiverenana sokafana ny lisim-pifidianana.

 

 Nampisy olana foana, hoy izy ireo hatrizay ireo singa 3 mandrafitra ny tontolom-pifidianana teto Madagasikara. Ny lalàm-pifidianana nampiditra tamin’ny krizy satria namofona hala-bato hatrany. Fantantsika, hoy izy ireo, ny zava-nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena sy ny kianjan’ny 13 may izay niafara tamin’ny faty olona mihitsy. Faharoa, ny lisi-pifidianana koa dia mampiditra indray amina krizim-pifidianana satria tsy manaiky ireo fivondronan’ny kandida raha tsy iverenana sokafana io lisitra io. Ny volana martsa 2005, nialohan’ny fifidianana 2006 dia nisy fivoriana niarahan’ny fitondram-panjakana sy ny firenena mikambana nijerena ny fanatsarana tokony atao amin’ny fifidianana eto Madagasikara ary soso-kevitra tamin’izany, hoy izy ireo, ny fijerena ny lisi-pifidianana izay tokony hifanindran-dalana mandra-kariva amin’ny fanavaozana ny rafitra mikasika ny olom-pirenena, toy ny resaka kopia sy kara-panondro. Tsy nanana afa-tsy 2 tapitrisa Euro moa, hono, ny vondrona eoropeanina ka dia hoe aleo ny lafiny fandraketana ny lisitra anaty solosaina no hatao. Akory ny hagagana fa ny akamaroan’ny lisitra tamin’izany, hoy ny HFI, dia tamin’ny andron’ny filoha, Zafy Albert, tamin’ny taona 1993. Tsy nahagaga, hoy izy ireo, raha rain’ny demokrasia tokoa ity filoha teo aloha ity. Indrisy moa fa tsy nanara-maso hatramin’ny farany tamin’izay ny vondrona iraisampirenena ary dia mbola niteraka resabe indray ny lisitra ny taona 2009. Nandeha ny tany Gaborone sy Maputo. Ny filohan’ny tetezamita nitaky hoe fijerena tsotra ny lisitra no atao. Izahay kosa, hoy izy ireo, nitaky fijerena manontolo na “refonte”.Tsy milamina ny tarehimarika momba ny mpifidy anaty lisim-pifidianana araka ny fahitan’ny HFI azy. Tsy hoe ny gasy no tsy te hifidy fa ilay tsy fahatomombanana eo amin’ny resaka taratasy maha olom-pirenena sy ny lisitra mihitsy no olana, hoy ny HFI.Vahaolana naroson’izy ireo ny fanarenana io lafiny taratasin’ny olom-pirenena io sy ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana. 5 volana no nanaovan’ny Brezilianina toy izany ary ny tao Maoritania aza, hoy izy ireo, 1 volana dia vita ny fifidianana satria tafapetraka tsara ny fototra rehetra na dia nisy fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila aza.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT