Politique

Hetsika Fanorenana Ifotony Miantso ny miaramila hijoro


  • Zoma 07 Septambra 2018

Namoaka fanambarana tetsy amin’ny biraony etsy Antaninandro omaly ry zareo avy eo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony ( HFI) nanoloana ny fanehoan-kevitry ny filoham-pirenena teo aloha, Didier Ratsiraka.

 

 

Misaotra iny raiamandreny iny izahay, hoy i Pety Rakotoniaina fa izao vao mahatsapa ny rehetra hoe : marina ny tenin’i Pety Rakotoniaina, marina ny tenin’i Tabera Randriamanantsoa, marina ny tenin’ny HFI sy ireo miantso fanorenana ifotony rehetra. Marina ihany koa ny filazana fa misy manafatra basy eto. Ka raha fifidianana no atao nefa misy fanambanana basy dia tsy hahasoa ny firenena izany fa ady. Tsy fandrosoana no aterak’izany ary handrava ny firaisankinam-pirenena. Hatahotra io amboletra io ny olona satria toa tombontsoan’olom-bitsy no hanaovana azy. Ireo mpandroba sy mpanao trafika efa teo no manafatra ireo basy ireo, hoy izy. Nanamafy ny teninay hatramin’izay ny tenin’ny amiraly Didier Ratsiraka. Mila fanorenana ifotony eto mialoha ny fifidianana satria rafitra tsy ahafahantsika miaro ny harem-pirenentsika no eto. Miantso ny HCC sy ny CENI tsy hanao sorona ny vahoaka ny HFI. Miantso ny praiminisitra Ntsay Christian koa izy tsy hanao izany. Miantso ny miaramila kosa mba hijoro ho tandroka aron’ny vozona ary miantso ny Vahoaka mba hihevitra izay voalaza fa aza atao foana hoe : iza no niteny izany ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT