Mitohivakana ny fanehoan-kevitr’ireo hery politika samihafa manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Nanamafy ny filana ny atao hoe fanorenana ifotony mialoha ny zavatra rehetra tetsy amin’ny Motel Anosy ny sabotsy teo ny HFI na hetsika fanorenana ifotony. Nitaky ny hanafoanana ny voka-pifidianana filoham-pirenena farany teo mihitsy aza moa izy ireo. Foano io fifidianana io, hoy ny HFI, fa andeha atao aloha ny fanorenana ifotony. Tsy azo hanaovana fifidianana ny lisi-pifidianana ankehitriny, izay ny taona 1993 no nokasihana farany, hoy hatrany ny fanazavana. Matoa ao anatin’ny firenena 5 farany mahantra isika dia nisy olana tsy nety voavaha hatramin’ny taona 1972 eto rehefa natao ny fikarohana samihafa. Politika moa no resaka ankehitriny, hoy ny mpitondra teny, Manantsoa Victor, ary hita ho olana ankehitriny ny fifidianana. Eo amin’ny lafiny lalana dia misy ny atao hoe “code electoral”, hoy izy. Io no nampiditra krizy amin’ity. Nidinan’ny depiote 73 an-dalambe sy nahafaty olona. Indrisy anefa, hoy izy ireo, fa namboamboarin’ny HCC fotsiny amin’izao fa tsy naverina tamin’ny parlemanta sy teny Tsimbazaza. Efa fahotana mahafaty izany ary natao hampanankery hoso-pifidianana na “fraude”. Tsy nanao ny asany ny CFM nefa raha ny voalaza ao amin’ny andininy faha-4, andalana faha-3-n’ny lalana mifehy ity komitin’ny fampihavanana Malagasy ity dia anjarany no mitsikera izany. Mikasika ny rafi-pifidianana kosa dia tokony hipetraka mazava anaty lisitra ny 95%-n’ireo ampy taona. Tsy araky ny eto anefa izany, hoy ny HFI. Ny taona 2017 dia namoaka tarehimarika ny Instat sy ny banky iraisampirenena ary ny ONU fa 26 tapitrisa ny isan’ny gasy ary ny antsasak’izay no ampy taona, izany hoe, 13 tapitrisa. Misy 3 tapitrisa mahery very zo izany any raha toa ka 9,9 tapitrisa, hoy izy ireo, no ambaran’ny CENI ho ampy taona anaty lisitra. Tsy tafiditra ao ireo satria tsy manana kopia sy kara-panondro. Tsy mahagaga, hoy izy ireo, raha misy ny verin-droa sy verin-telo (doublon et triplon) na mihoatra izany aza anatin’io lisitra io ary fanampin’izay dia mbola marobe koa ireo mitaraina ho tsy nahazo karatra. Fehiny, hoy izy ireo, dia tsy azo hanaovana fifidianana io lisitra io fa andao aloha hifandinika an-databatra boribory hanavao ny rafitra ary foanana ny fifidianana teo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.