Ny niady hahatafapetraka ny lehiben’ny mpanohitra eo anivon’ny antenimieram-pirenena, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana aza tsy mbola vitan’ny antoko mpanohitra eto amintsika hatramin’izao.
Ny dikan’izay, eo anivon’ny lalàmpanorenana, dia tsy misy mpanohitra eto. Ampy ve ny fiononana sy ny filazan’ireo milaza azy ho mpanohitra hoe “sambany amin’ny firenena maneran-tany i Madagasikara no tsy misy dian-tanana mpanohitra ny fifidianana ataony ?” Tsy henatra aza ve izany ? Tsy hita izay tena tanjona amin’ny hetsi-panoherana eto amintsika ankehitriny satria dia toa ny fifidianana hany lalan-tokana hahafahana tena manohy izany indray no toherina amin’izao fotoana fa tsy ireo tetikasan’ny mpitondra izay hita ho tsy nahomby tao anatin’ny 5 taona latsaka kely.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.