Taorian`ny adihevitra ny zoma lasa teo niarahana tamin`ireo kandidà 26 dia naneho ny heviny Atoa Hery Rakotomanana, filohan`ny CENI, mahakasika ny fehin-kevitra tapaka tamin`io andro io ihany.
Nambarany fa fahafahana ho an`ny rehetra no maneho hevitra amin` ny fivoriana toy ireny. Ny zavatra tadiavina dia ny hampanjakana ny hevitry ny besinimaro kanefa ny CENI dia manaraka ny lalàna no voalohany indrindra fa kosa manaraka ihany koa ny hevitry ny besinimaro. Nomarihany fa manaraka ny lalàna mifehy azy ny CENI. Ahafahana manatanteraka fifidianana mangarahara no antony. Ny lisi-pifidianana no tena fototry ny olana amin`izao kanefa ny rafitra entina manatanteraka azy no tsy hahazoana lisitra lavorary. Ny mpifidy no nandrasana ho tonga hanoratra anarana teny amin`ny fokontany ary notsindrian`i Hery Rakotomanana ihany koa fa efa nanao fanentanana sy asa mafy ny CENI satria efa in-telo ny lisi-pifidianana no naverina teo anivon`ny fokontany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.