Nivoaka tamin’ ny fahanginany ny CENI manoloana ny adihevitra politika maro sy fanakorontanana mitranga amin’ izao ankatokin’ ny fifidianana izao.
Niantefan’ ny fanambaranan’ny CENI manoloana ny fanakorontanana sy adihevitra politika maro ireo kandidà mivoy izany. Mampitandrina ireo mikendry hanakorontana ihany koa ny CENI ary tsy maintsy mandray fepetra manomboka hatreto. Mikasika ny lisi-pifidianana dia tsy maintsy zakaina kosa ny tsy fahatombanana misy, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana. Tsy maintsy miroso amin’ ny fifidianana isika ary anjaran’ ny filoham-pirenena vaovao izay ho lany eo no manarina ny tsy mety rehetra. Niantefan’ izany sy mifono fanontaniana ireo mivoy fanakorontanana sy fanakanana fifidianana amin’ ny 7 novambra ho avy izao. Terem-panahy izahay hametra-panontaniana eo anatrehan’ ny fetra apetraky ny lalàna sy ny lalàm-panorenana. “Mbola fotoana hanaovana adihevitra politika ve izao hanajana ny lalàna manan-kery ?”, hoy ihany izy. Tsy ny vahoaka mpifidy no tompon-pahefana mahafantatra ny olona heveriny mendrika hitondra azy sy hamaha ny olany rehetra mandritra ny dimy taona manaraka. Etsy an-kilany, nohamafisin’- ny filohan’ ny CENI ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana ary efa hitan’izao tontolo izao izany na dia efa roa taona sy tapany aza no nanitsiana azy. Tsy maintsy mizaka ny tahan’izany isika mba hirosoana mankany amin’ny fifidianana satria fifidianana madio sy mangarahara no katsahin’ny rehetra, hoy hatrany ny fanazavany. Handray ny andraikiny ny CENI manoloana ireo tranga famafazana lainga hanakorontanana ny fifidianana sy ny endrika sompatra hatao any anatin’ ny fampielezan-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.