Politique

Hery Rajaonarimampianina Voan’i Dada tamin’ny kely foana


  • Alakamisy 16 Aprily 2015

Hita ho tena fanina, sahiran-tsaina amin’ny paikady politika hampiharina hitantanany ny firenena sy hampatanjaka ny fitondrany i Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany. Tsy fantatra aloha izay mety ho fifanarahany teo aminy sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Nisy tokoa ve izany sa tsy nisy ? Ny tsikaritra dia na minamana amin-dRavalomanana na miady aminy ny filoham-pirenena ankehitriny dia efa ratsy toerana foana.

Tsy manan-tsafidy intsony

Ny fahitana ny fandehan-javatra amin’izao fotoana dia tena voan’i Marc Ravalomanana tamin’ny kely foana i Hery Rajaonarimampianina. Avela miteny ingahy Ravalomanana tonga dia mahitsy fitenenana, tsy dia mety amin’ny fitondrana kanefa ao amin’ilay tadiavin’ny olona. Tsy avela miteny izy vao miha mampitombo ny olana ho an’ny fanjakana. Tsy safidy azo atao intsony ny misambotra sy managadra azy ary efa niaiky ny minisitry ny fitsarana fa najanona daholo aloha ny raharaham-pitsarana rehetra momba ity filoha teo aloha ity. Mitombo isa ankehitriny ny mpandinika ny toe-draharaha politika milaza fa fahadisoana ara-politika goavana nataon’ny fitondrana HVM ny nanaiky ny niverenan’i Dada teto Madagasikara, satria ity filoha teo aloha ity no azo ambara fa filoha voajanaharin’ny mpanohitra ary noho izany tsara toerana ho lasa filoham-pirenena manaraka eo. Maro no milaza fa efa ao an-damosin’i Marc Ravalomanana ireo firenena vaventy. Ny governemanta anefa an-kilan’izay tsy mety mahazo famatsiam-bola. Somary mampieritreritra ihany koa ny fahanginan’i Andry Rajoelina taorian’ny fihaonany tamin’ny masoivoho Amerikanina, izay efa avy nihaona tamin’i Marc Ravalomanana ihany koa.

Fifidianana mialoha ny fotoana

Tena ratsy toerana noho izany ny filoha Rajaonarimampianina, miha sosotra aminy isan’andro ny vahoaka noho ny tsy fisian’ny vahaolana amin’ny fahasahiranana. Maloto endrika ihany koa ny antokon’ny HVM satria mampiasa ny fahefam-panjakana hanindriana bokotra ny olona. Tsy atokisan’ny sehatra iraisam-pirenena izy ary tsy omeny vola. Miha matanjaka koa anefa ireo mpanohitra azy, izay misy ao anaty fitondrana, misy ety ivelany. Hita taratra ihany fa tsy mahay politika na diso safidy tamin’ny paikady politika nampiasaina ny HVM ary manomboka efa sarotra sitranina ilay aretina ka mahatonga ny olona sasany hieritreritra sahady fa fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana no mety hotanterahana aorian’ny fahavitan’ny fampihavanam-pirenena sy ny fanitsiana na fanovana mihitsy aza ny lalàmpanorenana.


RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT