Sarotra ho an’i Hery Rajaonarimampianina ny hiverina amin’ny toerany, raha ny lojika politika amin’izao.
Tsy ny HVM mihitsy no hahavita hampandany azy amin’ny fomba madio fa kajikajy politika maloto angaha no hampiasaina. Raha vola dia ekena fa manana tokoa izy ireo, saingy raha ny fototra politika dia very lavitra ka eo no hahavoa azy satria mba misy atoraka ihany koa ny hafa fa tsy ny kandidam-panjakana irery ihany akory. Vao hoe HVM, dia efa zavatra miiba ny ao an-tsain’ny maro, ary ireo ekipa amin’izao toa tsy azon-dRajaonarimampianina ianteherana intsony. Tsy hay izay hambaran’ny HVM hanao fihaonambe any Antsiranana anio sy rahampitso fa raha ny feo mandeha, dia tsy te hitondra ny lokon’ny HVM intsony i Hery Rajaonarimampianina amin’ny fifidianana na dia tohanan’io antoko naoriny io aza izy. Re mantsy fa izany vonona antsoina hoe TTT izany no mety hanolotra azy amin’ny fifidianana, izay heverina fa hisy ekipa vaovao sy tarehy tsy dia hita firy tao anatin’ny HVM ao anatin’io raha tena ho izay tokoa no ho fizotry ny tantara. Maromaro ireo ekipa hiova sy tena ho akaiky kokoa azy na dia mandindona eo hatrany aza ireo fantatra hatrizay. Efa naman’ny rendrika mihitsy ny sambon’ny HVM satria maro ireo heverina olobe tao anatin’ny antoko no nandao, toa an-dry Paul Rabary izay nanakiana sy nanenjika mafy, Mahafaly Solonandrasana Olivier izay efa milaza fa hamadika pejy, Narson Rafidimanana izay efa nisintaka ihany koa,… Manana 28 andro sisa i Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitantanana ny firenena, raha toa ka ho kandida satria tsy maintsy miala amin’ny toerany ny 7 septambra izao raha ho kandida. Andrasana izay hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.