Mbola naverin’i Hery Rajaonarimampianina indray omaly tamin’ny fahatongavany teny Ivato taorian’ny diany tany Aostralia fa tsy mitovy ny andraikitry ny tsirairay nanoloana ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Azo adika ho endrika fanadiovan-tena ihany izany satria dia nilaza fa tsy hanao ilay fiaiken-keloka sy fibebahana moa ny filoha Rajaonarimampianina , hono, tsy nisy nidirany ny krizy nisy teto amin’ny firenena. Amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fitsinjarana ara-drariny ny harena be misy eto no tena fampihavanam-pirenena, hoy i Hery Rajaonarimampianina.
Olon’ny FAT
Raha ny tena marina anefa dia tsy afa-miala amin’izao fahasahiranan’ny firenena izao mihitsy ity filoha am-perinasa ity noho izy minisitry ny vola nandritra ny 4 taona tao anatin’ny tetezamita. Tena ilaina noho izany ny ampamoaka ataony momba ny vola nifamezivezy sy nampiasaina teto nandritra ny tetezamita. Sahy milaza ary ve Atoa Rajaonarimampianina fa madio mangatsakatsaka izy manoloana ny trafikana boaderozy nampalaza ny tetezamita ? Tamin’ny naha minisitry ny vola azy ve dia tsy mba nisy azavvatra afaka nataony mihitsy mba hamerenana eto Madagasikara ireo 750 tapitrisa dolara vola azo avy amin’ny fanondranana ity hazo sarobidy ity rehefa tsy voasakana ihany ny fandefasana azy ? Mbola resaka hafa ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013 satria maro ny olona nahita fa hafahafa iny fifidianana iny ary misy zavatra tsy mazava. Mbola manitikitika ny sain’ny maro ihany koa ny hoe loharanom-bola avy aiza marina moa no nampiasain’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ireny fotoana ireny ? Amin’ny maha filohampirenena azy dia izy no ray amandreny izay tokony hanome ny ohatra tsara, hita anefa fa toa mbola manambony tena ihany ary tsy manaiky ho diso mihitsy i Hery Rajaonarimampianina, ary mety mihevitra ny tenany mihitsy ho olomasina mpanao politika, angamba.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.