Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy hita telo andro sy telo alina


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Mba hafahafa ihany raha filoham-pirenena no tsy handrenesam-baovao ao anatin’ny efatra andro sy efatra alina nialana teto an-tanindrazana, nefa betsaka ny laharam-pahamehana eto ary vonjivonjena ihany koa ny fotoana

 

. Hamonjy ny fivoriambe faha-70-n’ny Firenena Mikambana no nialany teto Madagasikara tamin’ny sabotsy 26 septambra. Ny antoandron’ny talata 29 septambra izy tsy mbola tonga any New York. Ny alatsinainy mialoha io anefa ireo filoha ngezalahy erantany toa an’i Etazonia, Rosia, Frantsa, Alemaina, Japon, Inde, Brezila … vory atrika tao daholo. Ny filoha Malagasy kosa tsy hita popoka. Io andro io ihany, toy ny fanaony isan-taona, dia nisy ny fanasana ataon’ny filoha Amerikanina Barack Obama ho an’ireo filoham-pirenena sy solontenam-panjakana manerantany tonga miatrika ny fihaonambe. Izy rahateo no firenena mpampiantrano. Tsy nanatrika izany fa mbola tany an-toeran-kafa ny filoha Hery Rajaonarimampianina na dia fantatra aza fa nahazo fanasana izy. Ny hikabary rahampitso 1 oktobra fotsiny ve izany no hahatongavany any, nefa ny filohan’ny tany mahantra manararaotra ny havoriana toy izao hanitarana ny fiaraha-miasa sy itadiavam-bola. Maro koa ireo fivoriana manokana momba ny fampandrosoana, fandriampahalemana, fiovaovan’ny toetr’andro, fanatsarana ny andrimpanjakana, ady amin’ny kolikoly misy. Hatramin'ny filoha amerikanina Barack Obama, ny filoha rosianina Vladimir Poutine, sinoa Xi Jinping ... aza mandray anjara amin'ireny, fa ny an’i Madagasikara tsy hita. Ho hita eo raha hitsangana izy rahampitso alakamisy, andro voatondro hikabariany ao amin’ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana, no sady koa andro hanasany ny teratany Malagasy monina any Amerika Avaratra hidinika sy hifanakalo hevitra aminy. Hatao ao amin’ny trano fonenan’ny solontena maharitr’i Madagasikara ao amin’ny Firenena Mikambana io fihaonana amin’ny Malagasy io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT