Nanao fanambarana omaly ny filoham-pirenena teo aloha sady kandida, Hery Rajaonarimampianina.
Nambarany fa be ireo tsy fetezan-javatra nitranga nandritra iny fifidianana iny ary maro ihany koa ireo tranga teknika hafahafa tsikaritra. Ohatra amin’izany ny fahitana taratasim-pifidianana tsy ara-dalàna, ny fahataran’ny fametrahana ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana ny fifidianana, ny fifampihantsiana sy ny fisiana bileta voamarika mialoha ary fitaovana tsy tokony hampiasaina mandritry ny fotoana fandatsaham-bato. Manoloana izany dia nanao antso avo amin’ny Malagasy rehetra ny filoha teo aloha mba ho mailo mandritry ny fotoam-pamoahana ireo vokatra tsy ofisialy. Ny zava-miseho rehetra, hoy izy, dia mahatonga ahiahy ny amin’ny fisiana familiviliana safidim-bahoaka. Farany moa dia nanao antso avo an’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI ny tenany handray ny andraikiny. Tsy ekena ny fangalarana ny safidim-bahoaka ka dia matoky ireo manampahefana fa handray ny andraikiny, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.