Politique

Hery Rajaonarimampianina Tsy haharitra eo amin’ny fitondrana !


  • Alatsinainy 08 Jona 2015

Tsy mbola milamina ny toe-draharaharam-pirenena amin’izao fotoana izao satria dia mitohy hatrany ny disadisa eo amin’ny solombavabahoaka sy ny filoham-pirenena ny amin’ny fanalana ity farany eo amin’ny fitantanana ny tany sy ny

 fanjakana. Mihenjan-droa isan’andro ny tady eo amin’ny roa tonta ka samy miaro ny tenany hatrany izy ireo. Ireo depiote aza dia efa misy milaza fa tsy hijanona ny fitakiana raha tsy miala eo amin’ny toerany ny filoha am-perinasa. Ny filoha koa dia mitady hatrany ny fomba rehetra ahafahany mijanona eo amin’ny toerany. Miroso manao fanambarana avokoa ireo fikambanana maro samihafa isam-paritra hatramin’ny antoko politika misy hiarovana ny toeran’ny filoha. Tsy midika akory izany fa rehefa mitabataba amin’ny haino aman-jery ireo fikambanana sy antoko politika ireo dia hijanona eo ny filoha mpanorina ny HVM. Ny valin-kafatra avy amin’ny HCC no andrasana. Ny depiote sasany aza efa mahalala fa tsia ny valiny ka hitohy hatrany ny fitakian’izy ireo aoriana ny fanapahan-kevitra mivoaka eo. Raharaha anisan’ny mahamay ity miseho eto Madagasikara ity satria dia ny solombavabahoaka mihitsy no mitaky ny fametraham-pialan’ny filoha am-perinasa ka ho sarotra amin’ny Hery Rajaonarimampianina ihany ny hijanonany eo amin’ny fitondrany raha izao toe-draharaha izao no jerena sy dinihina lalina.

 

Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT