Politique

Hery Rajaonarimampianina Tena niesona sy voa mafy


  • Zoma 18 Janoary 2019

Hotontosaina anio eny amin’ny Lapam-panjakana eny Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha nambaran’ny HCC fa lany hitantana ny firenena ao anatin’ny 5 taona dia i Andry Rajoelina.

 

 

 

 Efa nisy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta ny 25 janoary 2013 nandraisan’i Hery Rajaonarimampianina ny fitantanana ny firenena. Nampiavaka io fifamindram-pahefana io ny nanoloran-dRajoelina fanalahidy lehibe tamin’izany ka asa indray izay ho endriky ny lanonana anio na hamerina ny lakile nomena azy i Hery Rajaonarimampianina na ahoana ? Tsy fahita firy izany filoha am-perinasa mirotsaka izany, ka tsy lany na tsy tafiakatra amin’ny fihodinana faharoa farafaharatsiny. Ny fanjakana Rajaonarimampianina anefa no nanamboatra ny lalàm-pifidianana, nanendry tompon’andraikitra ambony maro nameno ny isan’ireo mpikambana ao amin’ny HCC, nametraka ny CENI amin’ny endriny ankehitriny io ary tena niomana tamin’ny kajikajy politika kanefa toa voadingana sy niesona tanteraka. Nanao izay azony natao tamin’ny fanaovan-javatra i Hery Rajaonarimampianina ary mba efa nijery lavitra tamin’ny fisandratana 2030. Raha niarahaba sy nitsodrano an-dRajoelina izy ny sabotsy 12 janoary teo, dia efa misy, hoy izy, ireo fototra holovaina ary azo hatsaraina sy hampiana. Ny zavatra nataony sy natombony dia ny fanjakana Rajoelina no hisitraka sy mety hirehareha amin’izany, tahaka ny tobina herinaratra amin’ny herin’ny masoandro eny Ambatolampy. Ny fanitarana lalana eny amin’ny By Pass dia efa mandeha, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina eny Ivato, ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. I Andry Rajoelina izany no hitokana sy hirehareha fa nahavita an’izany aoriana ao ? Amin’ny ankapobeny aloha, dia mbola ny tetikasan-dRajaonarimampianina no mety handeha ao anatin’ny herintaona satria ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana aza efa lany, raha tsy misy ny fanovana hatao. Raha hajaina ny resaka fitantanam-bolam-panjakana mazava dia izay voafaritry ny tetibolam-panjakana ihany  no asa miainga eo, raha tsy hoe : miverina angaha ny fomba fanao tamin’ny tetezamita misy volabe tsy fantatra hoe madio sa maloto mihodina.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT