Lanonana roa sosona no natrehan’ny filoha Hery Rajaonarimampinina sy Ramatoa vadiny tany Windhoek renivohitr’i Namibia ny sabotsy lasa teo dia ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ny Dr Hage G Geingob, 74 taona sy ny fankalazana ny faha-25-n’ny fahaleovantenan’i Namibia
. Ny 28 novambra 2014 no voafidy ary nahazo ny 86,7%-n’ny vato manankery ity filoha vaovao ity izay mandimby an’i Hifikepunye Pohamba. Firenena azo atao hoe kely i Namibia kanefa tena nivoatra sy nandroso be tao anatin’ny 15 taona, ary anisan’ny manana ny toerana eo anivon’ny Sadc sy ny vondrona Afrikanina. Avy any Windhoek moa dia nitaingina avy hatrany ilay fiaramanidina vaovao ATR 72-600 ka nihazo an’i Nosy Be mialoha ny niverany teto Antananarivo.
Nangonin’i RTTTia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.