Nampanantena indray ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fandalovany tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo fa hanangana fotodrafitrasa dimy ao an-toerana ny fitondrana. Nitsidika ilay toerana fikirakirana ny fanomezan-drano ny omby ao Mahajanga II ihany koa izy.
Hamboarina ny lalana
« efa manantena ny amin’ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa izay kasain’ny mpitondra atao ireo ny vahoaka »
Ny fanamboarana ireo lalana misy ao Mahajanga no tena hivoitra ka anisan’izany ny lalana eny amin’ny village tourtisque sy ny eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ao amin’ny fokontany Antanimasaja sy Sotema iny. Saika ireo lalana simba tsy nisy fanamboarana hatramin’ny repoblika voalohany no atao amin’izany. Anisan’ny mbola ataon’ny fitondrana koa ny fanadiovana ny tanànan’i Mahajanga ka ireo tatatra mirefy 24 km no hodiovina ka amin’ny alalan’ny asa tanamaro (HIMO) no hanatanterahana azy io. Mbola tafiditra ao anatin’ny tetikasa dimy ho fanatsarana ny tanànan’i Mahajanga ihany koa ny fananganana ny trano mitafo iray vaovao ho an’ny tanora ary ny ny fanatsarana ny lapan’ny fitsarana ao Mahajanga. Ny farany moa dia ny fanomezan-drano ny omby ao mahajangaII. Ireo no tetikasa nampanantenain’ny fitondrana Malagasy ao amin’ny renivohitr’i Boeny ka dia efa manantena ny amin’ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa izay kasain’ny mpitondra atao ireo ny vahoaka. Ny zoma lasa teo moa dia efa nitsidika ilay toerana fikarakarana ny fanomezana rano fisotro ny omby tao amin’ny kaomin’i Boanamary Mahajanga II ny filoha sy ny delegasiona notarihany.
Propagandy sy fanapena-maso ?
Fanirian’ny rehetra tokoa ny hahavitan’ireo fotodrafitrasa ireo, saingy etsy an-daniny dia maro ny milaza fa sao dia fampielezan-kevitra indray no ataon’ny filoha Hery tamin’ity fandalovany tao Mahajanga ity. Tena laharam-pahamehana sy zavatra maika tsy maintsy natao ve ireo sa mba te hitsangantsangana fotsiny ny filoha, izay efa malaza fa fotsy varavarana sy tsy mahatombintsiraka ? Ireo be hanihany dia nilaza fa ny olona aza tsy mahazo rano fisotro madio, ka inona no mahamaika an’ingahy filoha hijery ny rano fisotro madio ho an’ny omby ? Tsy efa tena fanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka ve izany ? Raha niresaka tamin’ireo olobe tao Mahajanga ny zoma hariva i Hery Rajaonarimampianina dia nilaza fa tokony hahay mihaino ny vahoaka izy ireo mba hahatanteraka ny tena fampihavanam-pirenena. Fa izy amin’ny maha filoham-pirenena azy ve tena mihaino ny hetaheta sy ny fitarainan’ny vahoaka tokoa ? Moa tsy teny an’avona, fandrahonana sy fampitahorana miampy fanagadrana aza no miandry ireo mba sahy miteny sy milaza ny marina izao ? Mba aiza ho aiza moa izao ny momba ireo mpampianatra FRAM 65 000 ambiny manerana ny nosy satria 10 000 ihany no horaisin’ny fanjakana ? Nahoana no mbola tataovan-ketra 2 000 Ar isam-bolana indray ny an’ireo efa kely karama, fa toa tsy hita mangarahara atao fanta-bahoaka ny hetra alain’ny fanjakana amin’ireo mpanefoefo sy ny orinasa vahiny mitrandraka ny harem-pienena eto ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.