Politique

Hery Rajaonarimampianina Nivadihan’ny HVM


  • Alakamisy 28 Mey 2015

Mibaribary toy ny tafika andrefan-tanŕna ankehitriny ny tsy fananan’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) fototra ka io mampitsingilahila ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina io.

 

Miantehitra amin’ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ny lisitra tsy miankina ny HVM nangonina handrafitra ny vondrona parlemanterany eny amin’ny Antenimieram-pirenena, nefa nivadihan’ny mpikambana amin’ny fotoana nilany azy. Nanaitra, ohatra, fa ny mpitarika ity vondrona parlemantera ity mihitsy, ny depiote Razafindrafito Lova Narivelo, voafidy tany Ifanadiana, no nandresy lahatra ireo solombavambahoaka namany handany ilay fangatahana famerezan-jo ny filohan’ny Repoblika tao amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena ny alin’ny talata 26 mey 2015 teo. Nisy ny valandresaka nataon’ireo solombavambahoaka manohitra ny hanonganana ny filohan’ny Repoblika tao amin’ny Colbert Antaninarenina omaly antoandro fa tsy tazana izy. Niakatra  tao amin’ny televiziona nasionaly TVM indray ny hariva, fa tsy niaraka tamin’ireo namany ihany koa. Tsy izy irery fa misy depiote HVM hafa. Inona no mety ho anton’izany fivadihana izany ? Ao no milaza fa fanehoam-pahatezerana vokatry ny fanilihana azy ireo tamin’ny fisafidianana ireo ho kandidan’ny HVM amin’ny fifidianana kaominaly hatao amin’ny 31 jolay 2015 izao fihetsika izao. Loharanom-baovao hafa indray no milaza fa tetika efa nomanina mihitsy io hahatongavana amin’ny fandravana ny governemanta mba hirosoana amin’ny fananganana antenimierampanorenana na «Assemblée Constituante» araka ny tapaky ny mpizaika momba ny fampihavanam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. Na itsy voalohany anefa na ity faharoa, dia samy endriky ny fifamitahana avokoa ary mahasarotra ny fifehezana ny solombavambahoaka tsy avy amin’ny antoko politika ao Tsimbazaza.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT