Politique

Hery Rajaonarimampianina Nitokana zava-bita tany Toamasina


  • Alatsinainy 27 Oktobra 2014

Nitsidika ilay sambo hopitaly goavambe mitondra ny anarana hoe Africa Mercy tany amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny sabotsy lasa teo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy Rtoa vadiny niaraka tamin’ny praiminisitra Kolo Roger sy minisitra vitsivitsy. Ny filoha no niantso ity sambo ity mba hiasa eto Madagasikara mandritra ny valo volana, mba ho fanampiana ny Malagasy amin’ny resaka fitsaboana

Afaka mitsabo sady mandidy ny sambo hopitaly Africa Mercy izay mahasahana aretina maro tahaka ny aretin’ny nify sy ny ativava, ohatra. Fa anton-dian’ny filoham-pirenena tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo ihany koa ny fitokanana ny zava-bita tao amin’ny Lycée Rabemananjara, dia ny efitrano manokana ho an’ny resaka informatika, nozaraina tablety ihany koa ireo mpianatra. Nanambara ny filoha fa atsy ho atsy dia aparitaka manerana ny lisea rehetra ny tablety mba hahafahan’ny mpianatra manaraka tsara ny fivoaran’ny teknolojia. Fa ankoatr’izay dia fantatra ihany koa izao fa hatsaraina sy amboarina ny CEG Ratsimilaho izay efa antitra ihany ary ahitana fahasimbana maro tao anatin’izay 30 taona nijoroany izay. Ankoatra ireo dia fotodrafitrasa ara-pahasalamana iray hafa ihany koa no notokanana nandritra izao dian’ny filoham-pirenena tany Toamasina izao dia ny Centre Régional de Transfusion sanguine de Toamasina ao amin’ny Hopitaly be, araka ny anarany dia ampiasaina amin’ny resaka fakana sy famindrana ra. Azo itiliana ny valanaretina Ebola amin’izay ny fitaovana eo am-pelatanana, hoy ny solontenan’ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana namatsy vola ny tetikasa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT