Politique

Hery Rajaonarimampianina Nirary ny soa sy ny tsara ho an`ny firenena


  • Sabotsy 19 Janoary 2019

Taorian`ny fifandimbiasam-pahefana teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha omaly dia nitafa fohy tamin`ny mpanao gazety ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina.

 

 Ilaina ny fifandimbiasam-pahefana mba hisian'ny fitoniana sy ny fampandrosoana. Araka ny voalazan`ny lalàna sy ny lalàmpanorenana dia manan-tantara eto amin`ny firenena ny fifamindram-pahefana tahaka ireny satria voalohany no nisian`izany teo amin`ny filoha roa tonta, hoy izy. Heveriny fa taratry ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fomba demokratika sy ny fanajana ny soatoavina  repoblikanina izany. Ho taratry ny fandrosoan`ny demokrasia eto Madagasikara, ihany koa satria mbola malemy izany ka mila hamafisina isan`andro, amin`ny isam-batan-olona, indrindra ny mpitondra isaky ny ambaratongany, hoy ity filoha teo aloha ity. Nirary ny soa sy ny tsara ho an`ny firenena ny filoha Rajaonarimampianina ary enga anie izay rehetra vita sy natao hotohizina sy  hohamafisina hitondra fisandratana  ho an`ny firenena, hoy hatrany ny fanambarany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT