Ny sabotsy hariva ihany dia tonga ny valin-kafatra avy any amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina manoloana ny fikasan’ny depiote hanongana azy sy ny fitsipahan’ny HCC izany
. Mbola izaho no filoha hoy izy, ary miangavy ny rehetra aho hanaja ny fanamafisana ny fisian’ny tany tan-dalàna. Milaza aho, hoy ny filoham-pirenena fa tsy hamela intsony ny hanitsakitsahana an’izany indray. Ny hevitra tsy mitovy no lasa nivadika ho fifanoherana sy fifankahalana, ny tsy fahampian’ny fifanakalozan-kevitra, niafara tamin’ny ahiahy tsy ihavanana, nampikorontana ny firindran’ny fitondram-panjakana araka ny fahitan’i Hery Rajaonarimampiania azy.
Nisintona lesona
Nahazoan’ny tsirairay nisintona lesona tsara iny trangan-javatra farany iny,
Anisan’izay nahatsapa zavatra maro ny tenako, hoy ny filoha ka entina hanitsy izay tokony hahitsy izany. Niantso ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka ny filoham-pirenena na ireo manohana na ireo manohitra azy mba hijery ny tombontsoa ambonin’ny firenena, hifanome tanana hampandroso ny firenena. Ny fanarenana ny toekarem-pirenena no laharam-pahamehana, hoy izy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.