Politique

Hery Rajaonarimampianina Niantehitra tamin’ny hazo boboka


  • Alarobia 29 Aogositra 2018

Endrika efa fahita eo amin’ny tontolo politika malagasy ny ankamaroan’ireo olona nandrotsaka ny antontan-taratasy filatsahana hofidiana filoham-pirenena.

 

 Misy amin`izy ireo dia olona tao anatin`ny fitondrana HVM ihany. Anisan’ireo nirotsaka tokoa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max, ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier sy Jean Ravelonarivo. Manampy azy ireo ihany koa ireo minisitra teo aloha  toy ny  minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul, ny minisitry ny Asa vaventy avy eo nisahana ihany koa ny fizahantany Ratsiraka Roland, Dr Jules Etienne izay minisitry ny toekarena sy ny tetipivoarana ary ny minisitry ny fiompiana Randrimampionona Joseph Martin na i Dadafara. Misy ihany koa ny tale jeneralin`ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha, Orlando Robimanana. Inona tokoa no antony manosika an’ireny olona ireny hirotsaka hofidiana ? Raha ny lojika, tokony hanohana an`i Hery Rajaonarimampianina, filoha am-perinasa sady kandidà ihany koa, izy ireo. Samy milaza fa manana programa maty paika hoentina manatsara sy mampandroso ny firenena ho amin’ny tsaratsara kokoa. Misy no miteny fa noho ny fahitany ny fahantran’i Madagasikara ka hitondra vahaolana hamahana ny fahantrana. Ao kosa no nanambara fa noho ny fitiavan-tanindrazana. Toa miendrika fitaka no nataon`ireo olona nianteheran`ny filoham-pirenena ireo. Nataon`ny olona tohatra sy fitadiavam-bola hoenti-miatrika ny fampielezan-kevitra fotsiny ny fitondrana HVM. Miteniteny tokoa mantsy ny vola amin’ny fifidianana amin’izao fotoana izao, satria raha tsy manana azy dia ny 0,0..% ihany no hobataina. Moramora kokoa ny fitrandrahana izany any amin’ireo mpanambola mpanohana, raha toa ka mpikambana ao amin’ny governemanta no atao irakiraka. Toa tsy fantatr'ireo tokony hanompo vahoaka ireo ny fanetrehan-tena na dia kely aza. Aiza ilay hoe “ny mpitondra no natao hanompo vahoaka” fa tsy ny vahoaka indray no manompo azy ireo ?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT