Navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly hariva ny fanapahana laharana 30-HCC/30 izay mampahafantatra ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Repoblika noho ny fametraham-pialan’i Hery Rajaonarimampianina.
Manatanteraka vonjimaika ny asan’ny filoha mandra-pametraka amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao izay voafidy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Mazava izany eo amin’ny lafiny lalàna fa tsy filoha intsony i Hery Rajaonarimampianina. Nohamafisiny tamin’ny kabariny teny amin’ny Lapan’Iavoloha halina tamin’ny 8 ora mahery mba ho fanajana ny lalàna, izay nasiany tsindrim-peo fa tokony hohajain’ny rehetra mba hisian’ny tany tan-dalàna. Raha nanao fanamby tamin’ny 25 janoary 2014, izay 4 taona sy 7 volana mahery kely teo izay, dia maika daholo ny zava-drehetra, hoy izy. Nambarako fa ady tamin’ny fahantrana no tanjona, saingy tsy maintsy namerina ny fiandrianam-pirenena satria voasazy tamin’ny endriny rehetra nandritra ny 5 taona talohan’izay. Toa naneho ny alahelony izy raha nilaza fa “ny harivan’ny fianianako dia nanomboka ny fanakorontanana sy fampihorohoroana satria dia efa nisy ra mandriaka nisian’ny naratra sy namoy ny ainy teo Anosy sy akaikin’i Mahamasina”. Tsy levon’i Hery Rajaonarimampianina io. “Nitohy foana izany nandritra ny nitantanako”, hoy izy. Makadiry ny fanamby tamin’ny fambolena sy fiompiana ary nivelatra tamin’ny sehatra samihafa, toy ny jono, indostria, harena ankibon’ny tany … ka tanjona ny fametrahana fotodrafitrasa fototra hisitrahan’ny rehetra mba hitomboan’ny vokatra sy fanondranana. Na dia nanome ny heriko rehetra aza aho, tsy maintsy manaiky am-panetren-tena fa tsy tanteraka avokoa ny zavatra nampanantenaina satria be loatra ny lavaka nototofana, ka sady nanototra no nanangana isika, hoy Rajaonarimampianina. Maneho ny fahavononako hanohy kosa aho raha sitrakareo. Maro no mety ho lesoka tamin’ny fitondrany, kanefa sambany teo amin’ny tantara aloha no nisy filoham-pirenena nirotsaka, ka nametra-pialana izay mety hoe : vokatry ny faneren’ny lalàmpanorenana, saingy azo ilazana fa nivoaka tamim-pahamendrehana ihany i Hery Rajaonarimampianina. Tanteraka ilay hiakiaka teny an-kianja “Miala Rajao”. Tsy hampihena ny vidin-tsolika anefa ny fametrahany fialany, tsy hampidina ny sarandalana, tsy hiantraika amin’ny sandam-bola, tsy hampitombo ny fahefa-mividy, asa raha hampihena ny tsy fandriampahalemana… fa tsaroana ny fanambiny tamin’ny 2013, fa telo volana dia mivaha ny delestazy, kanefa indrisy fa toerana maro teto amin’ny Nosy no tsy afaka naheno ny kabary farany natao teny Iavoloha omaly iny, nanaovany fametraham-pialana, noho ny delestazy tamin’ny faritra maro, toy ny tany Manakara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.