Noraisin’ny filoha sinoa Xi Jinping, tao amin’ny Grand Palais, lapam-panjakana ao Beijing, omaly, ny filoha malagasy Hery Rajaonarimampianina.
Mety ho fihaonana farany teo amin’ny roa tonta, amin’ny maha samy filoham-pirenena, iny satria hiatrika fifidianana filoham-pirenena i Madagasikara amin’ny 7 novambra, ary kandida amin’izany i Hery Rajaonarimampianina ary manana mpifaninana miisa 36 be izao, ka mety kely ny herijika amin’ny mbola hahatafaverina azy indray eo amin’ny fitondrana. Maro rahateo ny zavatra nanaratsy endrika sy nanamaloka ny dimy taona nitantanany ny firenena izay. Nohararaotin’i Xi Jinping io fihaonana io nanaovam-beloma an’itsy farany izay tonga tany, nitarika ny delegasiona Malagasy namonjy ny fihaonana an-tampony fahatelo eo amin’i Afrika sy Sina. Ho an’i Madagasikara manokana, ny fanamboarana seranan-tsambo lehibe iray any Antsiranana, fanarenana ny lalamby Fianarantsoa-Côte Est, fanamboarana lalamby Antananarivo-Fianarantsoa no anisan’ny voan-dalana tamin’ity fihaonana ity. Hanampy ireo tetikasa efa niarahana tamin-dry zareo Sinoa tao anatin’izay 40 taona nisian’ny fiaraha-miasan’ny tany roa tonta izay.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.