Niarahaba ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoeilina, ny filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, nandritra ny fanambarana nataony araka ny valim-pifidianana farany navoakan’ny HCC.
Miatrika kihon-dalana lehibe ny firenena ankehitriny satria nahavoafidy filohan’ny Repoblika vaovao ny vahoaka Malagasy, hoy i Hery Rajaonarimampianina. Mankasitraka ny filoha Ravalomanana ihany koa ny tenany amin’ny fanajany ny voka-pifidianana sy ny nanekeny izany am-pahamendrehana ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Nankasitrahany koa ny vahoaka malagasy izay nitsinjo hatrany ny filaminana sy fitoniana mankany amin’ny fampandrosoana izay hoheverina fa zava-dehibe ho an’ny firenena. Ny demokrasia sy ny vahoaka malagasy no nandresy tamin’iny fifidianana iny ka na nisy ny tsy fifampitovian-kevitra na nisy ny tsy fahatomombanana dia ny fanajana ny sata sy ny rafitra mifehy ny fanjana ny lalàna sy ny fitonian’ny olom-pirenena ihany no hanandratra an’i Madagasikara. Mbola lavitra, hoy izy, ny lalana alohan’ny tena hahatongavana amin’ny tena fandrosoana kanefa efa misy ireo fototra holovaina ary azo hatsaraina sy hampiana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.