Politique

Hery Rajaonarimampianina Nahazo “Honoris Causa” ihany koa


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Notoloran’ny HEC (Hautes Etudes Commerciales) avy any Frantsa ny maripahaizana avo lenta Doctor Honoris Causa omaly ny fi-loham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.Tonga teny Iavoloha nanolotra izany Atoa Bernard Ramanantsoa tale jeneralin’ny HEC

 
nanatrika ity lanonana ity ihany koa ireo olo-manan-kaja sy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony tahaka ny Pr Raymond Ranjeva, teo koa ireo mpianatra fahiny tany amin’ny HEC, tazana teny Iavoloha ihany koa ny Pr Pascal Chaigneau izay nametraka ny CEDS (centre d’études diplomatique et stratégique) teto amintsika ary ny masoivoho Frantsay Atoa François Goldblatt.Olona faha 14 maneran-tany sy filohampirenena malagasy faharoa taorian’i Marc Ravalomanana voahosotra ho Dr Honoris Causa i Hery Rajaonarimampianina .Ireo olona manana ny maha izy azy sy heverina fa miavaka sy nahavita be no mahazo ity mari-pahizana ity; anisan’ny efa notolorana izany ohatra ny filoha Frantsay teo aloha Valérie Giscard D’Estaing , ny filohan’ny URSS teo aloha Michael Gorbatchev ary ny filoha mpamorona ny Microsoft Bill Gates.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT