“Tsy mitazam-potsiny akory ny Fanjakana fa manampy araka izay azony atao, koa mahereza daholo, ho tahian’Andriamanitra ”, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina omaly raha tafaresaka mivantana tamin’ireo traboina tonga nivavaka teny amin’ny Fjkm Andrainarivo Fahasoavana izy.
Notanterahana teny an-toerana ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana nisaorana an’Andriamanitra noho ny dingana vita momba ny fampihavanam-pirenena sy ho fitrotroana am-bavaka ireo traboina noho ny loza voajanahary teto amin’ny firenena. Nanindry mafy ny maha zava-dehibe ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana ny filoham-pirenena, hafa sy miavaka ary tsy fahita manerana izao tontolo izao io 4F-n’ny FFKM io, hoy izy ary nanainga ny rehetra izy mba hanana fanetren-tena. Tsy maintsy ao anatin’ny fampihavanana no hanatanterahana ny fampandrosoana ny firenena, hoy i Hery Rajaonarimampianina. “Tsy maintsy miray isika, ary tsy afaka mandeha irery”, hoy ny filoham-pirenena. Notohizany fa : ”dingana iray izay no vita, ary mbola lavitra ny ezaka. Mampahery ny FFKM ny tenako ary ho vitantsika io Fihavanam-pirenena io, izay hanala ny sakana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena”.
Mpitari-bato vilam-bava
Somary nanaitra ihany ity kabarin’ingahy filoha teny Andrainarivo ity. Manainga ny rehetra mba hanetry tena izy, nilaza fa zava-dehibe ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana. Raha nanomboka anefa ny fampihaonana ireo filoha 5 nokarakarain’ny FFKM dia nanava-tena ny filoha Rajaonarimampianina ary nilaza fa tsy anisan’ny tokony hiaiky heloka sy hibebaka, hono, izy satria tsy tompon’andraikitra tamin’ny zava-nitranga ka nampisy ny krizy teto amin’ny firenena. Koa tsy izany ve ilay atao hoe mpitari-bato vilam-bava ? Ahoana moa no hahazoana antoka mba hahavitan’ny fampihavanam-pirenena raha toa ka ilay milaza azy fa raiamandrenin’ny Malagasy no manava-tena sy manambony tena, ka hilaza fa an’ny hafa foana ny fahadisoana, fa izy dia tahaka ny anjely fa tsy mba diso na solafaka mihitsy ? Samy mahafantatra tsara anefa ny rehetra fa minisitry ny vola nandritra ny 4 taona tao amin’ny tetezamita i Hery Rajaonarimampianina, fitondrana tetezamita izay nalaza ratsy tamin’ny afera maizina sy ny fampiasana vola tsy fanta-piaviana, ary tompon’andraikitra amin’izao fahantran’ny firenena izao.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.