Mbola mitohy ihany hatreto aloha ny andrana ataon’ny fitondrana Rajaonarimampianina ary tsy misy ny vahaolana azo tsapain-tanana hanarenana ny toekarem-pirenena sy hisorohana ny fipoahana ara-tsosialy. Toa mivadika ho olana vaovao indray aza ny zavatra eritreretin’ny fanjakana hamonjena ny Adema
sy Jirama, vahaolana maimaika no nampanginana ny mpampianatra FRAM sy ireo Paramed. Fampanantenana tsy azo antoka fa tena ho tanteraka marina no nomena ny mpiasan’ny fananan-tany. Io iaraha-mahita ankehitriny io fa tsy mbola manana vahaolana mazava momba ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny fitondram-panjakana. Maika ery anefa nandrafitra ilay PND ireo mpitondra fa hanarina ny firenena, hono, ary mety te hahazo famatsiam-bola faran’izay haingana koa angamba. Tsapa anefa fa tena manana olana goavana ity fitondrana ity dia ny tsy fananany ekipa mahay sy tena mahavita mitondra an’i Madagasikara, mpikarama an’ady politika no betsaka. Mipoapoaka ny kabary, atao daholo izao karazana fandaharanasa izao saingy miha mahantra ny malagasy ary tsy mazava amin’ny olona mihitsy ny tian’ny fitondran-dRajaonarimampianina hatao. Tsy sanatria resaka halako bika tsy tiako tarehy, fa maro no mahita fa tena ratsy mpanolotsaina, ratsy ekipa mpiara-miasa ny filoha Hery Rajaonarimampianina ka mety ho izay no antony mampivaralila toy izao ny fitantanany ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.