Fony mbola notoriana ho nandika lalàmpanorenana sy tsy nahatafatsangana ny fitsarana avo na HCJ ara-potoana no efa tsy nahatsapa tena hametra-pialana mihitsy ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina.
Vao mainka nahazo aina izy taorian’ny fanapahana noraisin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay mbola mitana azy ho eo amin’ny toerana maha filoha azy mandra-pahatonga ny fifidianana. Toa nanampy trotraka ka naha lasa saina ny maro ihany koa ny fanambarana nataon’ny foloalindahy tamin’ny herinandro izay toy ny manome fahefana an-kolaka ity filoham-pirenena ity ho afaka hanao didy jadona atsy ho atsy amin’ny alalan’ny fampandrenesana ireo be tsy miteny hampihatra lalàna miaramila amin’izay. Manoloana ny zava-misy dia lasa mihevitra azy ho nanao ny mety ny filoha Rajaonarimampianina fa tsy mety tonga saina amin’ny fanabeazam-boho ny fahantram-bahoaka novoleny tao anaty 4 taona. Mbola sahiny ny milaza any anaty fotoam-bita fa tamim-pahendrena ireo fanapahan-kevitra noraisiny fa raha tsy izany dia maro ny fahapotehana nitranga. Efa fandrangitana ireo vahoaka nampanantenaina poakaty tamin’ny delestazy tsy afaka tao anaty 3 volana sy ny kolikoly tsy fongotra akory fa mainka nirongatra sy maha tsizarizary ny asam-panjakana ve no tanjona sa mbola mihevitra sy mitetika paikady hahalany azy amin’ny fifidianana manaraka ihany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.