Namaly bontana ny fitoriana nataon’ny Solombavambahoaka azy teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalŕmpanorenana ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.
Nambarany fa mbola izy no filoham-pirenena. Mampitandrina ireo izay manely tsaho, milaza fa tsy izy intsony no mitantana an’i Madagasikara ny tenany. Nolazainy fa noho ny tsy fanomezana fiara tsy mataho-dalana 4x4 an’ireo Solombavambahoaka no nahataonga izao fikasana hanala azy amin’ny toerany izao. Tsy hita tao anatin’ny fitakian’ny solombavambahoaka ny fitsinjovana ny vahoaka fa fitiavan-tena no betsaka. Tsy i Madagasikara no mahantra fa ny toe-tsaina no mahantra. Zava-dehibe ny fandinihana ny raharaham-pirenena kanefa dia andraisana fanapahan-kevitra maivana toy izao, hoy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Nasiany fanamarihana ihany koa ny fomba izay nanatontosana ilay fifidianana teny Tsimbazaza. Azon’ny Solombavambahoaka atao ny manao fiampangana ny Filoham-pirenena fa tsy azony atao kosa ny manala azy amin’ny asany ka tokony havahana tsara, hoy Atoa Hery Rajaonarimampianina. Ho an’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’i Fianarantsoa Hary Andrianarivo, Solombavambahoaka voafidy tao Ambositra kosa dia tsy tokony hampidinina ambany ny resaka fitakiana nataon’ny depiote fa tsy misy idiran’ny resaka fangatahana fiara tsy mataho-dalana. Ny tenako manokana dia tsy nangataka fiara 4X4 izany ary maro ireo depiote no manana izany, hoy izy. Ny ahiahin’ny Filoha momba ny nanatanterahana ny fifidianana teny Tsimbazaza indray dia nanambara i Andrianarivo Hary fa tatitra diso no tonga any amin’ny filoha. Mikasika ny fifandraisan’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy i Dada dia nanambara ny Filoha fa i Dada no tokony hanontaniana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.